Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao

Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao

Tatitra azo avy tamin'i Omar bin Abi Salama (R.A), niteny izy manao hoe : Zazalahy taizan'Irak'I Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tànako, dia hoy ny irak'I Allah tamiko hoe : “Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao". Ary tahaka izany hatrany ny fihinanako taorian'izany.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Mitantara i Omar bin Abi Salamah (R.A) zanaky ny vadin'ny Mpaminany (SAW) Om Salamah (R.A) - izay teo ambany fitaizana sy fanarahamasony- fa teo am-pisakafoana izy, dia nanetsika ny tànany teo amin’ny sisin’ny vilia izy mba haka ny sakafo, ka nampianatra azy ireo fitsipika telo momba ny fihinanana ny Mpaminany (SAW) : Ny voalohany amin'izany dia ny : fitenenana : “Bismillàhi" -amin’anaran’Allah- eo am-piandohan’ny sakafo. Ny faharoa : mihinana amin’ny tànana havanana. Ny fahatelo : Mihinana eo amin'ny faritra akaiky amin'ilay sakafo.

فوائد الحديث

Anisan’ny fomba fanao amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanononana ny anaran'Allah eo am-piandohana.

Fampianarana ireo fahalalam-pomba ho an' ny ankizy, indrindra fa ny ankizy izay eo ambany fiahian'ilay olona.

Ny fahatsoran'ny Mpaminany (S.A.W) sy fivelaran'ny fony amin'ny fampianarana ireo ankizy sy fanabeazana azy ireo mba hahalala fomba.

Anisan'ny fomba fanao amin'ny fisakafoanana ny mihinana amin'izay eo anoloany ny olona iray, afa-tsy hoe karazany maro samihafa ilay sakafo, ka amin'izany dia azony atao ny maka amin'izany.

Ny mpiara-dia (Sahàbat) dia nifikitra tamin'ny fahalalam-pomba nampianarin'ny Mpaminany (S.A.W), azy ireo, ary izany dia azo tsoahina avy amin'ny tenin'i Omar manao hoe : Dia tahaka izany foana ny fomba fihinanako taorian'izany.

التصنيفات

Fahalalampomba rehefa misakafo sy misotro