إعدادات العرض
Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany
Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany
Tatitra azo avy tamin'i Bourayda (R.A) niteny hoe : Afaingano ny Swalat Asri, Satria i Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany".
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी বাংলা Español Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Hausa دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Wolof Soomaali Moore Українська Български Tagalog Azərbaycan ქართული тоҷикӣالشرح
Nampitandrina i Mpaminany (S.W.A) amin'ny fanemorana ny Soalat Asri amin'ny fotoanany ka minia manatara izany, ary izay manao izany dia tsy manan-kery ary simba sy rava ny asa soa vitany.فوائد الحديث
Famporisina amin'ny fifikirana ny fanaovana Swalat Asri amin'ny voaloham-potoana sy ny fiazakazana amin'izany.
Ny fandrahonana mafy ho an'izay manao tsirambina ny vavaka tolakandro (Swalat Asri) sy ny tsy fanaovana azy amin'ny fotoana mahamety azy dia lehibe noho ny tsy fanaovana vavaka hafa, satria io no vavaka afovoany voafaritra manokana ao amin'ny bokin'i Allah ilay Tsitoha: (Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana Swalat, indrindra ny vavaka fanompoana afovoany) [Al-Baqarah: 238].