إعدادات العرض
Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany
Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany
Tatitra azo avy amin'i Ibn Oumar (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany ".
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Moore Kurdî Oromoo Wolof Soomaali Français Tagalog Azərbaycan Українська bm தமிழ் Deutsch ქართული Português Македонски Magyar Русский فارسی 中文الشرح
Nanazava ny toe-piainan’ny mpihatsaravelatsihy i Mpaminany (S.W.A), dia toy ny Ondry misalasala izy ireo ka tsy mahalala izay andian’Ondry harahina. Mandeha any amin'io andian'Ondry io izy indraindray ary mankany amin'ny iray hafa ihany koa amin'ny fotoana hafa indray. Fa izy ireo mivadibadika eo anelanelan'ny finoana sy ny fikomiana, ka tsy miaraka miharihary amin'ireo vahoaka Mpino izy ireo no tsy miaraka ankolaka ihany koa, Ary tsy miaraka mivantana ihany koa amin'ireo vahoaka tsy Mpino no tsy miaraka ankolaka ihany koa, fa ny endrika aty ivelany dia miaraka amin'ny vahoaka Mpino, fa ny ao anatiny dia feno fisalasalana tokoa ka indraindray mirona any amin'ny andaniny, ary indraindray mivadika aty amin'ny ankilany.فوائد الحديث
Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny fametrahany ireo ohatra maro samy hafa mba hampifanakaiky sy hampazava kokoa ny dikanin-javatra.
Fanazavana ny toe-piainan'ireo vahoaka Mpihatsaravelatsihy amin'ny fisalasalana sy ny fiovaovany ary ny tsy fahatoniana.
Fampitandremana amin'ny toetran'ireo vahoaka Mpihatsaravelatsihy ary famporisihana ny rehetra amin'ny fahamarinana sy ny fahavononana amin'ny finoana, na ivelany na anatiny.
التصنيفات
Ny fihatsarambelatsihy