Tsy ho feno ny finoan'ny Olona iray Aminareo, raha tsy manaraka an'izay nentiko ny sitrapony manontolo

Tsy ho feno ny finoan'ny Olona iray Aminareo, raha tsy manaraka an'izay nentiko ny sitrapony manontolo

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mohammadi, 'Abdollah Ibn 'Amro Ibn Al-'aansui (R.A), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) dia nilaza ka niteny hoe : Tsy ho feno ny finoan'ny Olona iray Aminareo, raha tsy manaraka an'izay nentiko ny sitrapony manontolo.

[قال النووي: حديث صحيح] [رويناه في كتاب الحجة بإسناد صحيح]

الشرح

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa tsy afaka ny ho mpino tanteraka miaraka amin’ny finoana ilaina sy takina ny Olona iray raha tsy manaiky ny zavatra rehetra noraran’ilay Irakan’i Tompo Allah, ka izay rehetra nentin’ny Irakan’i Tompo Allah, toy ny fandrarana, sy ny zavatra hafa ankoatran'izany, ka lasa tiany izay rehetra nandidiany ary mankahala izay rehetra norarany.

فوائد الحديث

Ny Hadith dia fitsipika ho an'ny fanekena sy fankatoavana ny lalàna silamika .

Fampitandremana ho an'ny Olombelona fa na iza na iza mitsara amin’ny alàlan’ny saina na amin’ny fahazarana ka manome laharam-pahamehana ny zavatra nentin’ny Irakan’i Tompo Allah (S.A.W), dia lavina tsy ekena ny finoany izay hita fa manao izany.

Voadidy ny fampiharana ny lalàna amin'ny zava-drehetra, mifototra amin'ny teniny hoe : " Fa izay noentiko."

Mitombo amin’ny fankatoavana ny finoana ary mihena amin’ny tsy fankatoavana.