“Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”

“Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”

Tatitra azo avy tamin'i O'qbata bin À'mir Al-Johanì (R.A) : Nisy fianakaviana tonga teo amin’ny Irak’Allah, ka nanao velirano tamin'ny sivy izy, ary natsahatrany ny iray. Hoy izy ireo: “Ry irak’Allah ô, nanao velirano tamin'ny sivy ianao ary natsahatrao ity? Hoy izy : “ravaka ody”, ka natsofony ny tanany ary notapahiny izany, avy hatrany dia nanao velirano taminy izy tao aorian'izany, ary hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”.

[Sahih/Authentic.] [Ahmad]

الشرح

Nisy antokon'olona tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary folo isan'izy ireo. Nanao velirano tamin'ny sivy momba ny finoana silamo sy fankatoavana azy ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy nanao velirano tamin'ny fahafolo. Rehefa nanontaniana azy (S.A.W) ny anton'izany, dia hoy Izy : Mitafy ravaka ody izy, zavatra mifatotra na mihantona amin’ny vakana sy zavatra hafa mba hiarovan-tena amin’ny ratsy na ny loza. Dia natsofok'ilay lehilahy tao amin’ny toeran’ny ravaka ny tànany, ka notapahiny ary notaperiny hatreo ny momba izany, izay vao nanao velirano taminy ny Mpaminany (S.A.W) tamin’izany fotoana izany, ary nampitandrina ny amin’ny fampiasana ravaka ody sy nanazava ny momba ny lalànan'izany: "Izay nanantona ravaka ody dia efa nanompo sampy".

فوائد الحديث

Izay miantehitra amin’ny hafa ankoatra an’Allah, dia homen'Allah azy ny mifanohitra amin’ny fikasany.

Ny finoana fa ny fanaovana ravaka ody fiaro mba ho antony ialana amin'ny loza sy ny faharatsiana dia shirk kely, fa raha mihevitra kosa fa izy (ravaka) mihitsy no mahasoa dia shirk lehibe izany.