إعدادات العرض
Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany
Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny hoe : Izaho dia naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany ."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી Yorùbá Nederlands සිංහල دری Akan Azərbaycan Български Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių नेपाली or Română Kinyarwanda тоҷикӣ O‘zbek Moore Wolof Oromoo Српски Soomaali bm Українська Tagalog rn km ქართული Македонски Ελληνικά አማርኛالشرح
Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa izay rehetra nanao sy nanatanteraka ny fivanianana masina ho an'i Allah ilay avo Tsitoha ka tsy nanao asa mirakitra vetaveta, ary anisany asa vetaveta: toy ny firaisana ara-nofo sy ireo fampidirana amin'izany toy ny fifanorohana sy ny fisafosafona, ary antsoina ihany koa hoe fahalotoana ara-pitondran_tena. Ary tsy nanao fahotana sy ny asa ratsy rehetra maro isan-karazany, Ary anisan'ireo fahalotoana ara-pitondran_tena dia ny fanaovana ireo voarara amin'ny fotoana izay mbola misikina ny lamba atao hoe : IHRAM, ka rehefa niverina avy tamin’ny fanaovana ny Hadjy izay nataony Izy dia voavela avokoa ny fahotana sy ny fahadisoana izay nivitany, ka dia lasa tahaka ny zaza kely voateraka izay tsy nisy ota Izy.فوائد الحديث
Ny fahavetavetana dia voarara avokoa amin'ny tranga sy fotoana rehetra, ka izany dia nohamafisin'ny Mpaminany (S.A.W) ny mahavoarara azy ny mba ho fanajana tanteraka ireo fomba amam-panao rehetra hatao amin'ny fivanianana masina.
Ny olona dia teraka tsy misy fahotana, ary tena afaka madiodio amin’ny ota; ary dia tsy mitondra ny fahotan’ny hafa ihany koa Izy.
التصنيفات
Ny tombotsoan'ny Hajj sy ny Oumra