hoy izahay : Ianao no lehibenay. Dia namaly izy hoe : "Ily lehibe indrindra dia I Allah", Dia hoy izahay : Ny tena be voninahitra indrindra aminay, ary be fanolorana sy voninahitra sy fahamboniana, Dia namaly izy: “Lazao izay lazainareo, na izay tianareo lazaina, fa aza avela haka fanahy anareo ny…

hoy izahay : Ianao no lehibenay. Dia namaly izy hoe : "Ily lehibe indrindra dia I Allah", Dia hoy izahay : Ny tena be voninahitra indrindra aminay, ary be fanolorana sy voninahitra sy fahamboniana, Dia namaly izy: “Lazao izay lazainareo, na izay tianareo lazaina, fa aza avela haka fanahy anareo ny Satana”

Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Al-Shakhìr (R.A) niteny Izy : Niaraka tamin'ny solontenan'ny foko Bano Amir aho nankany amin'ny Irak'I Allah (S.A.W), hoy izahay : Ianao no lehibenay. Dia namaly izy hoe : "Ily lehibe indrindra dia I Allah", Dia hoy izahay : Ny tena be voninahitra indrindra aminay, ary be fanolorana sy voninahitra sy fahamboniana, Dia namaly izy: “Lazao izay lazainareo, na izay tianareo lazaina, fa aza avela haka fanahy anareo ny Satana”.

[Sahih/Authentic.] [Abu Dawood]

الشرح

Nisy antokon'olona tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W), ka rehefa tonga teo aminy izy ireo, dia nilaza - nidera sy nadoka azy - tamin'ny teny sasany izay tsy tiany. Hoy izy ireo: “Ianao no lehibenay.” Dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) tamin'izy ireo : "Ny lehibe indrindra dia I Allah". Manana ny fiandrianany sy fahefana tanteraka amin’ny zavaboariny Izy ary mpanompony avokoa izy ireo. Hoy izy ireo: “Ianao no tsara indrindra aminay amin’ny hatsaran-toetra” ary ambony indrindra amin’ny laharana sy ny haja ary ny voninahitra. Ianao no “ be harena indrindra amintsika”, ary malala-tanana indrindra, ary ambony indrindra ary be voninahitra indrindra. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nanoro hevitra azy ireo mba hiteny amin'ny fiteniny mahazatra fa tsy amin'ny teny manjavozavo, ka mba tsy hitarihan'i Satana azy ireo amin'ny fihoaram-pefy sy ny fandokafana izay hahalatsaka azy ireo ao amin'ny fanompoan-tsampy voarara sy ny làlana mitondra makany amin'izany.

فوائد الحديث

Ny voninahitry ny Mpaminany (S.A.W) ambony ao amin'ireo mpanara-dia azy sy ny fanajan'izy ireo azy.

Fandrarana amin'ny fandokafana diso tafahoatra amin'ny teny, ary ny fandanjalanjana amin'ny fiteny.

Fiarovana ny fanokanana an'I Allah amin'ny teny sy fihetsika izay mifanipaka amin'izany.

Voarara ny fihoaram-pefy amin’ny fiderana, satria anisan’ny làlana fidiran’i Satana izany.

Ny Mpaminany (S.A.W) no lehiben'ireo zakan'i Adama rehetra, fa io voalaza amin'ny Hadith io dia fanentren-tena manokana avy aminy, ary fatahorana azy ireo sao hihoam-pefy amin'ny fiderana azy.