إعدادات العرض
Izay manoro làlana amin’ny tsara dia hahazo tahaka ny valisoa azon'ny manao izany
Izay manoro làlana amin’ny tsara dia hahazo tahaka ny valisoa azon'ny manao izany
Tatitra azo avy tamin'i Abi Mas’ond (R.A) niteny manao hoe : Nisy lehilahy tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Tsy manana fitoavam-pitaterana aho ka mba ento, hoy Izy : Tsy manana izany aho, ary nisy lehilahy iray niteny hoe : Ry Irakan'Allah ô ! Ambarako azy ny olona mety hitondra azy, Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay manoro làlana amin’ny tsara dia hahazo tahaka ny valisoa azon'ny manao izany ”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە සිංහල ไทย دری Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bm Македонскиالشرح
Nisy lehilahy tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Very ny biby fitengiko ka mba ento aho, ary omeo fiara hitondra ahy hahatongavako amin'ny toerana alehako, Dia niala tsiny taminy i Mpaminany (S.A.W), Satria tsy nanana na inona na inona hitondra azy, ka hoy ny lehilahy iray nanatrika teo hoe : “ Ry Irakan’Allah, ho tarihiko amin’izay hitondra azy avy izy? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) fa mpiara-miombonantoka amin'ilay mpanome swadaka izy amin'ny fahasoavana, Satria Izy no nanome sosokevitra ilay nitady izany.فوائد الحديث
Famporisihana ny hanoro amin’ny Tsara.
Ny famporisihana amin'ny fanaovana ny asa soa dia tafiditra ho anisany antony iray amin'ireo antony mahatonga ny firaisankina sy ny fifanampiana eo amin'ny fiarahamonina silamo.
Ny halehibiazan'ny fahasoavan'i Allah ilay avo Tsitoha.
Ny Hadith dia milaza drafitra fototra anin'ireo fitsipika ankapobeny, ka tafiditra ao anatin’izany ireo asa soa rehetra.
Raha tsy mahavita manatanteraka ny fanirian'ny mpangataka ny Olona iray, dia tokony hiezaka manoro azy amin'ny Olon-kafa mety mahavita manatanteraka izany..
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsara