إعدادات العرض
Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy aminy afa-tsy ny fahamarinana ihany”
Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy aminy afa-tsy ny fahamarinana ihany”
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bn Àmro (R.A) niteny hoe : Nosoratako avokoa izay rehetra henoko tamin'ny irak'Allah, izay tiako hotadidina, fa noraran'ny koraisita aho, ary hoy izy ireo : Moave soratanao daholo izay renao avy amin'ny irak'Allah (S.A.W)?, nefa ny Mpaminany (S.A.W) anie olombelona miteny am-pahatezerana sy am-pahatsorana? dia najanoko ny fanoratana ary nolazaiko tamin’ny irak’Allah izany, ka nanondro ny vavany tamin’ny rantsantanany izy (Mpaminany) ary niteny hoe : “Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy aminy afa-tsy ny fahamarinana ihany”.
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Shqip Soomaali Српски Українська Wolof Moore Tagalog தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Nilaza i Abdollah bin Àmr (R.A) : Nanoratra izay rehetra reko tamin'ny irak'Allah aho mba hitahirizana izany an-tsoratra, ka nisy andian'olona maro avy amin'ny nanakana ahy, ary niteny izy ireo hoe : Ny irak'Allah (S.A.W) dia olombelona miteny amin'ny am-pifalina sy am-pahatezerana, ary mety ho diso fiheverana, ka najanoko avy hatrany ny fanoratana. Dia nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny teny nolazain'izy ireo, ka nanondro ny vavany tamin'ny rantsantanany izy ary niteny hoe : Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy ao aminy (vavany) afa-tsy ny fahamarinana amin'ny toe-javatra rehetra, na amin'ny hafaliana na amin'ny hatezerana. Hoy Allah Tsitoha momba ny Mpaminaniny (S.A.W) manao hoe: (Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy, fa izany dia faminaniana tonga taminy) [AN-NAJM : 3- 4].فوائد الحديث
Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mety diso amin'izay lazainy avy amin'ny Tompony Tsitoha, na ampahatsorana na tezitra.
Fahazotoan'ireo mpanaradian'ny Mpaminany amin'ny fiarovana ny Sonnat sy ny fampitana azy.
Azo atao ny mifanta, na dia tsy nampifantaina noho ny tombotsoa manokana aza, toy ny fanamafisana zavatra.
Ny fandraisana an-tsoratra ny fahalalana dia iray amin'ireo antony lehibe indrindra amin'ny fitahirizana fahalalana.