إعدادات العرض
“Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”
“Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली తెలుగు Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî മലയാളം Oromoo Română Soomaali Shqip Српски Українська Wolof Tagalog Moore தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpangalatra ratsy indrindra dia ireo mangalatra amin’ny soalat ataony; satria ny olona maka fananan'ny hafa dia mety hahazoany tombony ihany izany eto an-tany, fa tsy tahaka an’ity mpangalatra ity, satria izy nangalatra ny fahasoavana tambin'asany sy valin-kasasarany. Hoy izy ireo : Ry irak'Allah, ahoana ny fomba hangalarany ny soalat? dia namaly izy hoe :Tsy feno ny fiondrehana sy ny fiankohofana amin'ny soalat-ny; Izany dia noho izy faingana mihondrika sy miankohoka, ary tsy manao izany amin’ny fomba tsara.فوائد الحديث
Ny maha zava-dehibe ny fikolokoloana ny soalat atao, sy ny fanatanterahana ireo andriny miaraka amin’ny fitoniana sy fifantohan-tsaina.
Ny famaritana ny olona tsy miondrika sy miankohoka tsara araka ny tokony ho izy ho mpangalatra, mba ho fampitandremana ny amin'izany sy ho fanairana amin'ny tsy mampety azy.
Tsy maintsy totosaina araka ny tokony ho izy ny fiondrefana sy ny fiankohofana mandritra ny soalat ary ny eo amin'ny fijoroana mahitsy rehefa avy nanao azy roa.