إعدادات العرض
Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo
Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (r.a),nilaza fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo ".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands සිංහල தமிழ் ไทย دری Akan Български Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių नेपाली or Română Kinyarwanda тоҷикӣ O‘zbek Azərbaycan Moore Wolof Oromoo Soomaali Українська bm km rn Српски ქართული Македонскиالشرح
Nandrara ny tsy fanaovana fanompoam_pivavahana ao amin'ny trano amin'ny fotoana lavabe i Mpaminany (saw), ka lasa ho toy ny fasana ny trano tsy misy Olona mivavaka ao anatiny ". Ary nandrara ny fitsidihana ny fasana amin'ny fomba matetika sy miverimberina tsy tapaka mihitsy i Mpaminany ( saw) Satria izany dia lalana iray mety mitarika ny fanompoan-tsampy ". Nandidy atsika mba hivavaka sy handefa fiarahabana Aminy Isika na aiza na aiza eto an-tany ny toerana misy Antsika. Satria izany dia ho tonga any aminy na avy amin'ny olona akaiky sy ny lavitra, ka tsy ilaina ny mivezivezy mankany amin'ny fasany..فوائد الحديث
Ny fandrarana ny tsy fanaovana fanompoana an'i Tompo Allah ao an-trano.
Ny fandrarana mba tsy handeha hitsidika ny fasan'ny Mpaminany (saw ); Satria nandidy atsika handefa vavaka aminy ary nilazana izy fa ho tonga any aminy izany, fa ny fitsidihana hatao dia hamangy ny moske sy hivavaka ao.
Voarara ny famangiana ny fasan'ny Mpaminany matetika, toy ny famerimberenana ny fitsidihana azy amin'ny fotoana voatokana, tahak'izany koa ny famangiana ny fasana rehetra.
Fanomezam-boninahitra an'ny Mpaminany (saw) avy amin'ny Tompony no nandidiana ny mpino handefa vavaka sy fiarahabana ho azy amin'ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra.
Satria ny fandrarana ny fivavahana any am-pasana no fanapahan-kevitry ny mpanara_diany; izany no nahatonga ny Mpaminany (saw) nandrara ny fanaovana trano toy ny fasana, ka tsy misy olona mivavaka.
التصنيفات
Vokatsoan'ny asa soa