إعدادات العرض
Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy
Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Oumar (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands Hausa ไทย دری Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली тоҷикӣ Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Tagalog Azərbaycan ქართული bm Македонскиالشرح
Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A), fa i Jibril dia namerimberina taminy sy nandidy azy mba hikarakara ny mpiara-monina aminy, izay akaiky ny tranony, na silamo na tsy mpino, havana na tsia, miaro ny zony ary tsy manisy ratsy azy, manao soa azy ary miharitra amin'izay ratsy ataony, ka nihevitra i Mpaminany (S.A.W) noho ny halebeazan'ny zon'ny mpifenolobodirindrina sy ny famerimberenana azy fa hidina aminy fanambarana amin'ny fanomezana harenany ho lovainy.فوائد الحديث
Ny halehiben'ny zon'ny mpifanolo-bodirindrina sy ny fikarakarana azy.
Fanamafisana ny zon’ny mpifanolo-bodirindrina amin’ny alàlan’ny hafatra mirakitra ny hanomezam-boninahitra azy, ho sariaka sy ho tsara fanahy aminy, ary hanosika ny loza mety hanjo azy, hitsidika azy rehefa marary, hiarahaba azy rehefa misy mahafaly azy, ary hampionona azy rehefa tra-pahoriana.
Isaky ny varavaran'ny mpifanolobodirindrina akaiky anao dia voamarina sy lehibe ny zony.
Ny fahafenoan'ny lalàna Islamika amin'ny zavatra nentiny, izay mahasoa ny fiaraha-monina, toy ny hatsaram-panahy amin'ny mpiray monina sy ny fisorohana ny loza avy amin'izy ireo.