“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’I Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”

“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’I Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’I Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.

[Sahih/Authentic with its two versions.] [At-Tirmidhi]

الشرح

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny asa sy ny teny mavesatra indrindra amin'ny mizanan'ny mpino amin'ny andro farany dia ny toetra tsara, izany dia ny fanehoana tarehy tsara, fampitsarahana ny ratsy ary ny fiezahana amin'ny fanaovana asa soa. Halan’I Allah Ilay Tsitoha ny manao ratsy amin'ny asany sy teniny, ary ny fahavetavetana avoakan'ny lelany.

فوائد الحديث

Ny maha zava-dehibe ny amin'ny fananana toetra tsara; Satria manome ny tompony ny fitiavana an’I Allah sy ny fitiavan’ireo mpanompony, ary izany no zava-dehibe indrindra ho lanjaina amin’ny andro farany.