إعدادات العرض
“ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy
“ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy
Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny : “ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy ".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Hausa ไทย دری Български Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda тоҷикӣ O‘zbek Akan नेपाली Moore Azərbaycan Wolof Oromoo Soomaali Українська bm km rn ქართული Македонски Српски Lingalaالشرح
I Mpaminany (S.A.W) dia mandrara ny fihoaram-pefy sy fampitomboana ny fetra ara-dalàna amin'ny fiderana azy sy ny famaritana azy amin'ny famaritana nataon'I Allah Tsitoha azy, toy ny hoe mahafantatra ny tsy hita maso izy, na mahay zavatra hafa miaraka amin'I Allah, toy ny ny Kristiana dia nanao an'izany amin'i Jesosy zanak'i Maria (A.S). Avy eo dia nambarany mazava tsara fa iray amin'ireo mpanompon’I Allah izy, ary nandidy ny hilazanay momba azy hoe : Mpanompon’I Allah sy iraka avy Aminy.فوائد الحديث
Fampitandremana mba tsy hihoatra ny fetra ara-dalàna amin'ny fanomezam-boninahitra sy ny fiderana; satria izany dia mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
Ny zavatra nampitandreman'ny Mpaminany (SAW) dia nitranga tamin'ity vahoaka ity, ka nisy antokon'olona nihaom-pefy tamin'ny fitiavana ny irak'Allah, ary ny antokon'olona iray nihoam-pefy teo amin'ny ankohonany, ary ny vondrona sasany teo amin'ny olona masina, ka dia rendrika tamin’ny fanompoan-tsampy izy ireo.
Nampahafantatra momba ny tenany i Mpaminany (saw) fa mpanompo an'I Allah izy, mba hafantarantsika fa tena mpanompo fatratra an'I Allah izy ka tsy mendrika azy ny hanomezana toetra mitovitovy amin'I Allah.
Nilaza ny tenany ho irak'I Allah i Mpaminany (saw) mba hampisehoana fa iraka avy amin’IAllah izy, ka tsy maintsy inoana sy arahina.