Izay mihaona amin'I Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe

Izay mihaona amin'I Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe

Tatitra azo avy amin'i JABRIR IBN Abdillahi (R,D) Niteny ka nanao hoe : Izaho dia naheno an'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny nanao hoe : "Izay mihaona amin'I Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe."

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Milaza mazava tsara i Mpaminany (saw) fa izay maty tsy nanompo sampy, dia mizotra makany amin'ny Paradisa. Na dia hanasazy azy amin'ireo ampahan'ny fahotany aza. Fa izay maty nampitambatra Azy amin'ny zavatra hafa kosa dia hijanona mandrakizay ao amin'ny Afobe.

فوائد الحديث

Fahasoavan'ny fanokanana an'I Allah, ary izy io no antony lehibe manavotra amin'ny fidirana mandrakizay ao amin'ny Afobe.

Fanakakaizana ny Paradisa sy ny Afobe amin'ny mpanompo iray, ary tsy misy manelanelana izany afa tsy ny fahafatesana.

Fampitandremana amin'ny fanompoan-tsampy, na kely na lehibe; Satria ny fanavotana amin'ny afo dia amin'ny alàlan'ny fiatahana aminy.

Ny tena zava-dehibe amin'ny asa atao dia ilay asa nataonao farany.

التصنيفات

Ny fanompoan-tsampy, Endriky ny Paradisa sy ny Afobe