إعدادات العرض
Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa.
Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa.
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) Niteny : Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa. "
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە සිංහල ไทย دری Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bm Македонскиالشرح
Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa izay maka tahaka an'ireo vahoaka tsy manam-pinoana, na ireo olona sy vahoaka maloto fitondran-tena, na olo-marina - amin'ny fanaovana ireo zavatra izay mampiavaka azy ireo amin'ny finoana, na ny fanompoam-pivavahana, na ny fomba amam-panao - dia voasokajy ho anisan'izy ireo ihany koa. Satria ny fakana tahaka azy ireo ety ivelany dia mitarika ho amin’ny fanarahana azy ireo ao anaty, ary tsy isalasalana fa ny fanahafana ny olona iray dia vokatry ny fiderana, ary mety hitarika ho amin’ny fitiavana azy, hanome voninahitra azy, ary hiantehitra aminy, ary izany ihany koa dia mety hitarika ny olona iray hanahaka azy na dia ao anatiny aza amin'ny fanompoana - Sanatria anie izany -.فوائد الحديث
Fampitandremana fatratra ny mba tsy hitovizana amin'ireny olona tsy mpino ireny maloto fitondran-tena.
Famporisihana ny mba hitovizana sy hanarahana ny olo-marina.
Ny fakana tahaka ety ivelany ny olona sy zavatra iray dia lasa endrika iray miteraka fitiavana ao anaty.
Iharan’ny fandrahonana sy ny fahotana ny olona iray araka ny fakahana tahaka an'ireo karazan-javatra hafa.
Voarara ny maka tahaka an'ireo vahoaka tsy mpino amin’ny fivavahany sy amin’ny fomba amam-panaony, fa ny ankoatr'izany kosa dia tsy maninona, toy ny fianarana asa tànana sy ankoatra izany, dia tsy tafiditra ao anatin’ny fandrarana.
التصنيفات
Ny fakana tahaka voarara