Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay

Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay

Tatitra azo avy tamin'i O'bàdat bin Sàmit (R.A) niteny hoe : Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay, tsy hifanditra ny raharaha amin'ny tompony, ary hilaza ny marina na aiza na aiza misy anay, Tsy hatahotra ny tsin'ny mpanome tsiny noho ny Allah.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanao fanekena tamin'ireo mpanara-diany ny Mpaminany (S.A.W) mba hanaiken'izy ireo ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin'ny mora sy ny sarotra, ary amin'ny fotoana mampanana sy mampahantra, na amin'ny mahafinaritra ny nofo na amin'ny halany izany baiko izany, eny fa na dia ny mpitondra fanjakana aza maka ny fananam-bahoaka ho azy sy manampatra ny fahefany, na amin'ny hafa ankoatr'izany, dia tsy maintsy mihaino sy mankatò azy ireo amin'ny zavatra tsara, ary tsy miala ambany fahefan'izy ireo, ny ady atao amin’izy ireo dia ratsy kokoa noho ny loza vokatry ny tsy rariny nataon’izy ireo, ary anisan'ny zavatra nifanaiken'izy ireo dia ny hilaza ny marina na aiza na aiza, amin’ny fahadiovam-po amin’Allah ary tsy matahotra izay hanome tsiny azy.

فوائد الحديث

Ny vokatry ny fihainoana sy ny fankatoavana ny mpitondra dia ny fampiraisana ny tenin’ny samy mpino silamo sy ny fialana amin'ny fisaratsarahana.

Voadidy ny mihaino sy mankato ireo mpitondra raha tsy ao anatin'ny fikomina an’Allah, amin’ny mora sy ny sarotra, amin'ny mampavitrika sy mahakamo, ary ny amin'ny fitiavan'izy ireo ny tenany noho ireo vahoakany, na ny fitiavany ny hafa noho ny hafa amin'ireo samy vahoakany.

Voadidy ny milaza ny marina na aiza na aiza misy antsika, tsy tahotra tsinin'ny mpanome tsiny noho ny amin’Allah.