إعدادات العرض
“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.”
“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.”
Tatitra azo avy tamin'i Abo Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.” Hoy i Abo Ayob : “Rehefa tonga tany Shami izahay dia nahita ireo kabone namboarina nitodika tany amin'ny kiblat, ka novainay izany ary mangataka famelan-keloka tamin’I Allah Ilay Tsitoha.
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî Kiswahili دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Yorùbá Кыргызча ગુજરાતી नेपाली Oromoo മലയാളം Română Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართული Українськаالشرح
Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) ny olona te hanala ny mavesatra aminy toy ny amany sy tay mba tsy hitodika any amin'ny Kiblat makany amin'ny Ka'ba, ary tsy miamboho azy ka nanao azy ao aoriany; Fa tsy maintsy miala amin'izany mankany atsinanana na andrefana izy raha toa ka mitovy amin'ny kiblat an'ny mponin'i Madina ny kiblat eo aminy. Avy eo nilaza i Abo Ayob (R.A) fa rehefa tonga tao Siria izy ireo dia nahita fa ny trano fivoahana nomanina ho an'ny fanalana zava-mavesatra dia naorina manatrika ny Ka'ba, noho izany dia nampihodina ny vatany hiala teo amin'ny Kiblat izy ireo, avy eo dia nangataka famelan-keloka amin’I Allah.فوائد الحديث
Ny fahendrena ao ambadik'izany dia ny fanajana ny Kaaba Masina sy ny fanomezam-boninahitra azy.
Fangatahana famelan-keloka rehefa avy nandao ny toeram-pivoahana.
Ny fampianarana tsara nataon'ny Mpaminany (S.A.W) Satria rehefa nanambara ny fady izy dia nanondro ny azo atao.