Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany

Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vahoakany rehetra dia hiditra ao amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay tsy manaiky! Hoy ireo mpanaradia azy : Iza no tsy hanaiky, ry Irak'Allah? Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) fa hoe : “Izay rehetra manaiky sy manaraka ary mankato ny Irakan’Allah dia izy ireo no hiditra any amin’ny Paradisa, fa izay rehetra nandà ka tsy manaiky ny lalàna dia izy ireo no ho voasakana tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izany noho ny asa ratsiny.

فوائد الحديث

Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.A.W) dia tafiditra ho fankatoavana an'Allah, ary ny tsy fankatoavana azy dia tafiditra ho tsy fankatoavana an'Allah.

Ny fankatoavana an'ny Mpaminany (S.W.A) dia mampiditra ao amin'ny Paradisa, ary ny tsy fankatoavana azy dia mampiditra amin'ny Afobe.

Vaovao mahafaly ho an’ny Olona mpankatò amin’ity vahoaka ity, ary hiditra ao amin’ny Paradisa avokoa izy rehetra afa-tsy izay tsy mankatò an’Allah sy ny Irakan’Allah.

Ny fangoraham-pony Mpaminany (S.W.A) amin'ny vahoakany sy ny fahavonosany hitarika azy ireo.

التصنيفات

Mpaminanintsika Mouhammad (S.A.W)