“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany

“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany

Tatitra avy tamin'ny Khawla Al-Answariou (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.W.A) niteny manao hoe : “Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.W.A), fa misy amin'ny olona izay mandany ny volan'ny mpino silamo amin'ny fomba tsy ara-drariny ary maka izany tsy ara-drariny koa, izany dia amin'ny dikany ankapobeny momba ny fanangonana sy fahazoana vola tsy eken'ny lalàna, sy fampiasana azy tsy amin'ny toerany, toy ny fihinanana ny volan’ireo zaza kamboty sy ny vola natolotra ho an'ny daholobe, ka nivadika tamin'ny fitokisana ary naka azy amin'ny fomba tsy mendrika. Avy eo izy (S.W.A), dia nilaza fa ny valin-kasan'izy ireo dia ny Afobe amin'ny andro farany.

فوائد الحديث

Ny vola eo am-pelatanan’ny olona dia volan’i Allah, nanendry azy ireo Allah ho mpitantana azy ary hampiasa azy amin’ny fomba ara-dalàna, ary hisoroka ny fandaniana izany amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Amin'ny ankapobeny izany dia eo amin'ny governora sy ny olon-kafa.

Ny fahamafisan'ny lalàna Islamika momba ny volam-bahoaka, ary na iza na iza miandraikitra izany dia ho tsaraina amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty tamin'ny fanangonana sy ny fampiasana azy.

Tafiditra amin'ity fandrahonana ity izay rehetra mampiasa sy mandany ny vola aman-karena tsy ara-dalàna, na volany izany na an’olon-kafa.

التصنيفات

Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba, Fanamelohana ny fitiavana ny fiainana eto an-tany