إعدادات العرض
Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra
Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands Kiswahili தமிழ் دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Soomaali Moore Українська Български Wolof Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bm Oromoo Македонскиالشرح
Mandidy ny olona hanamaivana sy hanamora ny raharaha rehetra momba ny finoana sy ny fiainana eto an-tany i Mpaminany (S.A.W), Saingy ao anatin’ny fetran’izay ekan’Allah sy ny lalàna. Ary nampirisika azy ireo hitory ny vaovao mahafaly izy Mpaminany (S.A.W), fa tsy hampandositra azy ireo amin’izany.فوائد الحديث
Ny andraikitry ny mino dia ny hahatonga ny olona ho tia an’Allah sy manentana azy ireo hanao ny tsara.
Tokony ataon'ireo mpiantso amin'ny fahamarina ho any amin'i Allah ny mijery amim-pahendrena ny fomba mahomby ho fampitana ny antson'ny finoana Islam ho any amin'ny olona.
Ny fitoriana ny vaovao tsara dia miteraka fifalina sy fahalianana ary fahatonina ho an’ny mpitory sy ny zavatra atolony ho an’ny olona.
Ny fankasarotanana dia miteraka fankahalana, fanalavirana ary fisalasalana momba ny tenin'ny mpitoriteny.
Ny haben’ny famindram-pon’Allah amin’ireo mpanompony sy ny fifaliany nanome azy ireo finoana mahafinaritra ary lalàna maivana sy mora.
Ny fanamorana izay vodidy amintsika, izany no nentin'ny lalàna islamika (Sharia).
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsara