إعدادات العرض
ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr
ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D) Niteny ka nanao hoe : Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina no naniraka Anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Moore Kurdî Wolof Soomaali Français Oromoo Azərbaycan Tagalog Українська தமிழ் bm Deutsch ka Português mkالشرح
Milaza sy mampahafantatra i Anas ibn Màlik (R.D) : Rehefa nipetrapetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) tao amin'ny Mosque izy ireo dia nisy lehilahy iray niditra miaraka tamin'ny Rameva ka nifatorany, Avy eo nanontany azy ireo hoe : iza Aminareo no Mouhammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka eo amin'ny vahoaka, ka Niteny Izahay hoe : io Lehilahy fotsy mipetraka io, Niteny Taminy ilay Lehilahy : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) : enoko Anao, ary manontania fa ho valiako. Niteny tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izy : hanontany Anao Aho amin'ny fanontaniana entitra, ka aza tezitra Amiko Ianao. Izany hoe : Aza tezitra Amiko ary aza malahelo, Namaly Izy : anontanio izay rehetra ilainao, Niteny ilay Lehilahy : Manontany Anao Aho ary mifanta sy mianiana amin'ny Tomponao sy ny Tompn'ireo teo aloha, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ho any amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny, tena i Tompo Allah tokoa, fankamafisana ny fahamarinany, Niteny ilay Rangahy ka nanao hoe : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, manontany Anao amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina ve no naniraka Anao handidy Anay hivavaka in-dimy isan'andro, ary izany no fivavahana Soalat voadidy, Namaly Izy : Eny, Izy tokoa no Tompo Allah, Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao hampifehy Anay amin'ity volana ity isan-taona ? Izany hoe volana Ramadany, Namaly Izy : Eny, tena Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, fa tena Allah tokoa ve no naniraka Anao amin'ny hamohanay ny ampahany amin'ny harenan'ireo Mpanankarena Aminay dia homena ireo izay mahantra Aminay ? Izany hoe Zakat, Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny, fa tena Tompo Allah tokoa, Dia nanaiky ny finoana Islam i Damam, ary nampahafantatra an'ny Mpaminany (S.W.A) fa hiantso vahoakany amin'ny finoana Islam, ary nampahafantatra ny tenany fa Izy tokoa no Damam ibn Tha'labat avy amin'ny foko Sa'd ibn Bakr.فوائد الحديث
Fanetren-tena nataon'ny Mpaminany (S.W.A); ka tsy nahavita nanavaka Azy tamin'ireo Mpanaradiany ilay Lehilahy.
Ny toetra tsaran’ny Mpaminany (S.W.A) sy ny hatsaram-panahiny amin’ny famaliana ny fanontaniana, ary ny famaliana amin'ny fomba tsara no anisan’ny anton’ny fanekena ny fiantsona.
Azo atao ny mampahafantatra ny Olona iray manana fiodirana fotsy, mena, lava, fohy, sy ny toy izany, izay tsy natao hahatonga fahafaham-baraka, raha tsy halany izany.
Azo ataon'ny tsy Mpino miditra ao amin’ny Mosque raha misy anton-diany.
Tsy voalaza ny fivahiniana masina tao amin'ny Hadithe Satria mety mbola tsy voadidy izany tamin'io fotoana io.
Fitiavan'ny Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) ny fampielezana sy fiantsona ny Olona; vao tafiditra anaty finoana Izy dia tapa-kevitra ny hiantso ny vahoakany.
التصنيفات
Ny Finoana an’Allah ilay Tsitoha, Mpaminanintsika Mouhammad (S.A.W), Ny Islam, Ny fiantsoana makany amin'Allah, Ny mahavoadidy ny Swalat sy ny didim-pitsarana amin’izay manambela azy, Ny mahavoadidy ny Zakat sy ny didy momba ireo tsy mamoaka azy, Obligation of Fasting and Ruling of Its Abandoning