إعدادات العرض
Izay milaza hadith momba ahy izay heverina ho lainga dia voasokajy ho anisan'ny mpandainga izy
Izay milaza hadith momba ahy izay heverina ho lainga dia voasokajy ho anisan'ny mpandainga izy
Tatitra azo tamin'i Samorah bin Jondob sy Al-Moghirah bin Sho'bah (R.A) niteny : Nilaza ny mpaminany (S.A.W) manao hoe: : "Izay milaza hadith momba ahy izay heverina ho lainga dia voasokajy ho anisan'ny mpandainga izy."
[Mari-pototra]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Português සිංහල অসমীয়া Kiswahili Tiếng Việt አማርኛ ગુજરાતી Nederlands پښتو नेपाली ไทย മലയാളം Кыргызча Română Svenskaالشرح
Mampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nampita hadith iray avy aminy nefa fantany na heveriny na koa betsaka ny fiheverany fa mety ho lainga momba an'i Mpaminany (S.A.W) izany, ka ny mpitantara sy ny mpamorona dia miara-miombon'antoka amin'ny lainga.فوائد الحديث
Fanamarinana ireo hadith notantaraina momba an'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny famotopotorana ny maha-azo antoka azy mialohan'ny hitantarana azy.
Ny toetra lainga dia mihatra amin'izay rehetra namorona ny lainga sy nampita izany ary nampiely azy any amin'ny olona.
Voarara amin'ny olona mahafantatra fa noforonina ilay hadith na koa betsaka ny fisalasalany ny amin'ny maha forona azy ny mitantara izany, raha tsy hoe noho ny fampitandremana ny aminy.