إعدادات العرض
1- “Izay mianiana ka niteny amin’ny fianianana hoe : Mianiana amin’ny alalan'i Lata sy Ozza, dia aoka izy hiteny hoe: Lailaha Illallah, izay midika : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary izay miteny amin’ny namany hoe : Avia hiara-hiloka amiko ianao, dia aoka izy hamoaka fanomezana
2- “Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy