Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”

Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”

Tatitra azo avy tamin'i Abou houraira (R.A) niteny : Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Ry irak'Allaha ô, tsy manana mpitarika hitarika ahy ho any amin'ny moske aho, ka nangataka tamin'ny irak'Allah izy mba hivavaka any an-trano, dia nomeny alàlana amin'izany izy, ary rehefa niala teo izy dia niantso azy indray i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : “Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : Ry irak'Allah ô, tsy manana olona hanampy hitondra ahy amin'ny tànana ho any amin'ny moske mandritra ny vavaka dimy isan'andro aho. Nangataka alàlana tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy mba tsy handeha moske, ka nomeny alàlana. Ary rehefa nihodina izy dia nantsoina ka nanontanianay hoe : Mandre ny antso ho amin'ny vavaka (Azan) ve ianao? Dia hoy izy : Eny, Dia hoy Mpaminany (S.A.W) hoe : Valio antson'ny mpiantso.

فوائد الحديث

Voadidy tsy maintsy atao ny Swalat amin'ny Jamaa; Satria ny fahazoan-dàlana dia tsy mety raha tsy ho an'ny zavatra tena tsy azo ialàna sy tsy maintsy atao ihany.

Ny teniny hoe : "Valio" ho an'izay maheno ny AZANY midika izany ny maha tsy maintsy atao ny Soalat Djamant; Satria ny fototra dia tsy maintsy tanterahina.

التصنيفات

Ireo vokatsoan'ny swalat atao amin'ny Jamaat sy ny didy momba azy