إعدادات العرض
Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy
Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy
Tatitra azo avy tamin'i Saiid Al-Khoudriou, niteny i Mpaminany (S.A.W) : " Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español Français Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili فارسی தமிழ் မြန်မာ Русский Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands සිංහල ไทย دری Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली тоҷикӣ Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული bm Македонскиالشرح
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa tena ilaina tokoa ny misoroka ireo loza miseho amin'ny endrika maro samihafa na eo amin'ny fisehoany avy amin'ny tena na avy amin'ny hafa, ary tsy azo atao ny manisy ratsy ny tenany na ny hafa. Tsy azo atao ny mamaly ny ratsy amin'ny ratsy hafa ihany koa. Satria ny ratsy dia tsy afaka amin'ny ratsy iray, raha tsy amin’ny alalan’ny valifaty izay tsy hatao amin'ny endrika mihoam-pefy na amin'ny fandikan-dalàna. Avy eo i Mpaminany (S.W.A) nanazava ilay fandrahonana amin'ny loza ho an'ireo izay manisy ratsy ny Olona, ary fahazoana fahasahiranana ho an'ireo izay manasarotra ho an'ny Olona.فوائد الحديث
Fandrarana ny fanomezana famaliana mihoatra ny mitovy aminy.
Tompo Allah dia tsy nandidy ny mpanompony hanao izay mety hanimba azy ireo.
Fandrarana ny fanimbana sy ny fandratrana amin'ny teny, na amin'ny asa, na amin'ny fandaozana.
Ny valisoa dia mitovy tantana amin'ny asa izay natao, ka izay manisy ratsy dia i Allah no hanisy ratsy azy ihany koa, ary izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy.
Iray amin'ireo fitsipiky ny lalàna Sharia ny hoe : “Esorina ny loza” sy izay rehetra nahitana vokadratsy satria ny lalàna Sharia amin'ny finoana Islam dia tsy mankasitraka ny fisian'ny loza sy ny zava-dratsy, fa mandà mandrakariva ny fampidiran-doza.
التصنيفات
Fitsipiky ny Fikh sy ny fototra