Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty

Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty

Tatitra azo avy tamin'i Abou Bakri (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty", Niteny aho hoe : Fa ahoana momba ilay novonoina? Namaly Izy manao hoe : "Satria izy niezaka mafy hamono ny rahalahiny".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa raha misy Islamo roa mampifanena ny sabany amin'ny alàlan'ny ady, ka samy mikasa izy roa ny handringana ny namany; dia ho any amin'ny Afobe ilay mpamono satria namono mivantana ny namany izy. Nanontany ireo mpiara-diany momba ilay novonoina ka nanao hoe : Ahoana no hidirany any amin’ny Afobe? Namaly i Mpaminany (S.W.A) hoe : Any amin'ny Afobe ihany koa Izy noho ny finiavany hamono ny namany, ary tsy nisy nahasakana azy tsy hamono afa-tsy ny fihazakazahan'ilay mpamono namono azy mialoha.

فوائد الحديث

Mendrika ny famaizana ny olona nanapa-kevitra hanota ao am-pony sy izay mety ho antony mivantana.

Fampitandremana mafy amin'ny ady fifamonoana eo amin'ny samy mpino Islamo ary fampanantenana lehibe fa hitoetra ao amin'ny Afobe.

Ny ady eo amin'ny samy silamo amin'ny fahamarinana dia tsy tafiditra ao anatin'ity fandrahonana ity, toy ny ady atao amin'ireo mpandika lalàna sy ny mpihoa-pefy ary ny mpamotika.

Ny olona mpanao fahotana lehibe dia tsy manala azy ho mpino silamo, Satria i Mpaminany (S.W.A) miantso ireo niady mifamono hoe : Mpino silamo.

Raha misy Islamo roa mifanena amin'ny fomba rehetra ka misy ny fifamonoana, dia lasa ny iray mamono nynamany, dia samy any amin'ny helo avokoa ny mpamono sy ny nivonoina, ary ny sabatra voalaza ao amin'ny Hadith amin'ny fomba ohatra fanazavana sy fanehoana fotsiny.