Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo

Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) ny fandrarana ny fanozonana ireo maty sy ny fanevatevana ny voninahiny ka izany rehetra izany dia zavatra tsy azo atao, ary izany voalaza fa anisan'ny faholotoan'ny fitondran-tena, Satria tonga amin'ny fanefana ny fanaovana asa soa asa tsara na asa ratsy izy ireo, ary marina. Satria tsy mahatratra azy ireo izany ozona izany, fa mamparary ny velona izany.

فوائد الحديث

Porofon'ny fandrarana ny Fanozonana ny maty dia voarakitra ao amin’ny Hadith

Fadio ny manozona ny maty mba hijerena ny tombontsoan’ny velona, sy mba hiarovana ny fiaraha-monina amin’ny fifandirana sy ny fifankahalana.

Ny fahendrena ao ambadiky ny fandrarana ny fanozonana azy ireo dia efa tonga amin’ny izay nandaharana azy, ka tsy mahasoa ny manozona azy ireo, ary manimba ny havany velona izany.

Tsy tokony hataony Olona iray ny hilaza zavatra tsy misy ny mahasoa ao amin’ny Olon-kafa iray ny Olona tsirairay.

التصنيفات

Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba, Ny fahafatesana sy ny lalàna mamemhy azy