إعدادات العرض
Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny
Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny
Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە සිංහල ไทย دری Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek Moore नेपाली Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan bm ქართული Македонскиالشرح
Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy mijery ny tarehin'ny mpanompony sy ny vatany, tsara tarehy ve izy ireo sa azo tsinontsinoavina? Lehibe sa kely? Salama sa marary? Tsy mijery ny fananan’izy ireo Izy, betsaka ve sa vitsy? Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy manasazy sy hitsara azy ireo amin’ireo raharaha ireo na ny tsy fitovizan’izy ireo ao amin'izany fa Mijery ny ao am-pon’izy ireo sy izay ao anatin’izy ireo momba ny fatahorana sy ny fitokisana, ny fahamarinana sy ny fahadiovam-po, na ny mikasa fireharehana sy ny laza, ary Mijery ny asan’izy ireo amin’ny fahamarinany sy ny fahalotoany Izy, Ka hahazo valisoa sy hanasazy azy ireo noho izany.فوائد الحديث
Mikarakara ny fahatsaran'ny fo, sy ny fanadiovana azy amin'ny laza rehetra maharikoriko sy mahatsiravina.
Ny fahatsaran'ny fo dia noho ny fahadiovam-po, ary ny fahamarinan'ny asa dia amin'ny fanarahana ny Mpaminany (S.W.A), Satria izany dia toerana izay jerevan'Allah ilay avo Tsitoha ary manan-danja Aminy.
Tsy tokony ho voafitaky ny volany, na ny hatsaran-tarehiny, na ny vatany, na ireo zavatsoan'izao tontolo izany.
Fampitandremana amin'ny fiankinan-doha amin'ny endrika ivelany nefa tsy manatsara ny ao anatiny.